Clip TSARA TSO-DRANO - DADAH Rabel sy Inah

preview_player
Показать описание
Zoma 30 Sept 2016 @ 8 ora alina ao amin'ny CARLTON Anosy.
Mpikarakara: mi'Ritsoka Production
Jiro sy hazavana : mi'Ritsoka
Fanamafisam-peo: mi'Ritsoka
Рекомендации по теме
Комментарии
Автор

Ndriiii...tsy maintsy hikopakelatra tokoa nareo rankizy ❤❤..tsara loatra

lantohaingovololonaramelia
Автор

Zahay mivady toa sondrian-tory
Mihevitra anao ankizy foana
Nony mihiratra, taitra tsy hitahita akory
Hay moa ianao tonga taona
Hay moa tokoa ianao hary elatra
Te hanana zo, te handeha, te hivelatra
Vita ny adidin'i Dada sy Neny
Efa voninkazo ilay voa novoleny
Andeha, Tsara tsara tso-drano
Tsy ho azon-tsampona tsy hidiran’angano
Andeha, soava tsarà
Zay vao tena lehilahy

Be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy
Na ny anatra na tambitamby
Ba ny sakantsakana, be ny fandrarana
Toa tara toetr'andro zahay mazana
Nefa izay moa no heverinay ho tsara
Satria ny tianay ho tsara dimby sy fara
Azea tsiny tsy zary tsara daholo
Ny mba faniriana nahay nitaiza sy nikolo
Andeha, ny any aloha no banjino
Ny fahendrena no vatsy aza adino
Andeha mahità ny mamy
Ka ho lavitra tomany

Lasa nandeha ka nisidina irery
Efa lehibe, ts'isy handidy, ts’isy hanery
Handimby ireo zoky hiantsoroka adidy
Ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy
Andeha, mahaleova
Ianao no handimby, ianao no handova
Andeha, ny anarantsika
Aza avela ho entin-driaka

debazama
Автор

misaotra nampatsiaro fa NY TSO DRANO dia zavatra sarobidy amin ny gasy ! ela velona leroa !

icarecom
Автор

Mahatsiaro ry zokibe Dadah a
Tsy manadino ny mamy.
Mandria am-piadanana

DadaRabe
Автор

Mandriam-piadanana Dadah, malahelo ny fo fa manaiky ny fandaharan'Andriamanitra.
Veloma ao @Fafah ao
Tsy ho adinonay mandrakizay

cdrarakotovao
Автор

Ankafiziko e! Merci Zokibe namela mamy

mboxmbox
Автор

mankasitraka eee, proud of my parents even though they are not perfect

martindelor
Автор

manganoano isaky ny mihaino ity hira ity sady mieritreritra ireto zanako roalahy! Hafatra tsara be

sariakarakotoarimanana
Автор

Merci Dadah. Tsy hadino ko ra Mbola, miteny mits ilay gitara. Respect !

donnalauret
Автор

Tsiaro manokana ho an’ireo Ray amandreny rehetra indrindra ilay zokiko vavy, solon’i dada sy neny aty antany lavitra aty izay niaritra ny mafy tokoa tamiko 😅
🎈🧸❤️

herizoandriani
Автор

Hira tiko ndrindra @ hira malagasy, mankasitraka Inah puis repose en paix Dadah

antsaandrianjafy
Автор

Tiko lôtra ity hira ity, miandry ny mariazinilay zandriko zay aho fa atolotro hoazy io amizay andro izay😊

razanadrakotofefe
Автор

manenina aho tsy nijery ny spectacle anareo! fa faly nefa aho noho ny zava-kanto sy lesona bdb navelanareo izay efa lasa. Misaotra Mankasitraka, tsy ho adino ary ho tantaraina amin'ny zanaka any aorina any ny zava-bitanareo.

kiadyherilalarazafimahaleo
Автор

.... he! mampitomany be ny mahare an'ilay hoe ... "andeha .. ny NARAN-TSIKA, AZA HAVELA ENTINDRIAKA"!!!

nyh.gabriel
Автор

tena tsara e, njery an ty le zanako lahy kely 12 an de latsaka ny ranomasony

narindra
Автор

Misaotr anareo foana amle hira, manome hanatra 😭💖

oliviaretournat
Автор

Tsar be ..misy halpitain @zanak ... merci .ho tafita ee

lovalova
Автор

tsy maty ianao Dadah fa velona ho anay foana a!

andrianarisandytolotra
Автор

Paix à ton âme frère Merci pour tous ces ambiances

kalar.
Автор

Kanto feno anatra MAHASOA ho enti-miaina. Isaorana betsaka "izy iny"

andrerabesandratana
join shbcf.ru