Mbola Irery - Mahaleo (Dadah)

preview_player
Показать описание
Artistes: Mahaleo
Album: Mama Sera
Genre: Folk, World & Country
Sortie: 2007
song list:
1. Anjely (Dama)
2. Embona sy Hanina (Dadah)
3. Mianara Miaina (Raoul)
4. Post-Scriptum (Bekoto)
5. RN35 (Mama Sera) (Dama)
6. Rano sy Vary (Dadah)
7. Mipololotra (Raoul)
8. Renin-Drainivoanjo (Bekoto)
9. Orimbato (Dama)
10. Tsy Misy ny Doria (Dadah)
11. Kat'mi (Raoul)
12. Vatolahy (Bekoto)
13. Ambodibonara (Dama)
14. Mbola Irery (Dadah)
15. Miverena Modia (Raoul)
16. Madagasikara (Bekoto)
17. Ravorondreo (Mahaleo)

Ory irery, mbola irery,
Toa tononkira tsisy feony;
Miandry ilay, mozika iray,
Nefa toa ela ny fisehony;

Fa fitia tsy nisy mpiventy,
Ka lasa nivezivezy,
Miandry (2x), miandry anao,
Handrakitra azy ho solfezy.

Ianao no redona, hamelona,
Ireo teniko,
Ny eritreritra fanantenako,
sy fitia nafeniko;

Ny any tena faniriako,
Fitia iara-miangaly;
Miandry (2x), miandry anao,
Hahatonga ny fitiavako antsaly;

Solo

Nitady izay feo, mba tiako aho,
nitety sy nifindrafindra;
Nefa fa raha tsy, nivalana ireny
dia redona tsy mety mirindra;

Ny any feo mifandimby,
Nefa tsisy azoazo,
Miandry (2x), miandry anao,
Hahatonga ny fitiavako vazo;

Ianao no sisa, andrasana,
Dia ho tontosa ny hiran-tsika;
Ny tononkira nosoratako,
Ho ravahanao mozika;

Izao aloha dia mbola irery,
Tononkira mandeha ila;
Miandry (2x), miandry anao,
Handrakitra azy ho kapila.

Dadah & Fafah
Рекомендации по теме