Ambodibonara - Mahaleo (Dama)

preview_player
Показать описание
Artistes: Mahaleo
Album: Mama Sera
Genre: Folk, World & Country
Sortie: 2007
song list:
1. Anjely (Dama)
2. Embona sy Hanina (Dadah)
3. Mianara Miaina (Raoul)
4. Post-Scriptum (Bekoto)
5. RN35 (Mama Sera) (Dama)
6. Rano sy Vary (Dadah)
7. Mipololotra (Raoul)
8. Renin-Drainivoanjo (Bekoto)
9. Orimbato (Dama)
10. Tsy Misy ny Doria (Dadah)
11. Kat'mi (Raoul)
12. Vatolahy (Bekoto)
13. Ambodibonara (Dama)
14. Mbola Irery (Dadah)
15. Miverena Modia (Raoul)
16. Madagasikara (Bekoto)
17. Ravorondreo (Mahaleo)

Velona indray ny anjomara
Misy manafika Ambodibonara
Misy te-hibata ny amboara
Misy avy any ivelany ny fahavalo
Anisan’ny rivo-doza mpandalo
Fa ny tena ratsy dia ny avy ao an-trano

Horakoraka izany, horakoraka ihany
Ambodibonara fialokalofana tsara

Ny zava-misy ao Ambodibonara
Fiarahamonina mamarara dia misamboaravoara
Ny mpanangana, misy mpandrodana
Ny mpandrodana lasa mpanangana
Samy mifanditra, samy te-hanana

Horakoraka izany, horakoraka ihany
Ambodibonara fialokalofana tsara

Ny mpanangana misy mpanohana
Ny mpandrodana misy mpanohana
Misy koa anefa mpiandry kendry tohina
Mora ny atao hoe fahavalo
Izay tsy zanak’i dada dia efa fahavalo
Ny zanaka an-trano anefa tena dahalo

Ambodibonara, fialofan’ireo mamarara
Ambodibonara, fialokalofana tsara
Ambodibonara, tanàna manan-tantara
Ambodibonara, fialokalofana tsara

Ka tafavory ao Ambodibonara
Vaky bantsilana, vaky barara
Iaraha-mahalala ny mamarara
Ny avy ao anatiny aloha vahana
Alaolana no nampiasaina
Fokonolona mbola tsy nialana
Dia teny ierana no ifampitondrana
Ratsimandrava tadidin’ny eto an-tanàna

Tsy taitra tsy maika Ambodibonara
Tsy taitra tsy maika nefa tsy tara
Toy ny tanalahy mijery aloha, mijery afara
Tsy taitra tsy maika Ambodibonara
Hazakaza-dva tsy hahitana tsara
Hiram-pirenena efa manambara :
“Hiadana sy ho finaritra i Madagasikara
Hiadana sy ho finaritra izay vao sambatra tsara.”
Рекомендации по теме
Комментарии
Автор

Tsara ery ity hira ity... Nisy fotoana ity hira ity efa tato @ playlist (album mama sera) d nanjavona hoazy. Mankasitraka nizara fa tena tsara ... 😍💖💖

radorabearisoa