Rija RASOLONDRAIBE - Hiara hivavaka isika

preview_player
Показать описание

Рекомендации по теме
Комментарии
Автор

Amen pour Jésus
Jésus ma sauvé
Je l aime 💓💓💓💓💓💓

JaredAndrianilana-whxc
Автор

Mafinaritra e 😍😍😍hiara mivavaka isika Amen 😍

bettyraony
Автор

❤❤ ndao hiaraka hivavaka.tenin'andriamanitra milaza mifampivava ianareo

mackenjy
Автор

😊😊😊❤❤❤voninahitra ho anao Atra ilay Ray mahafa ny zavatra rht amên

josianeramamonjiarisoa
Автор

Ndao iaraka hivavaka tsika amin 'izay aretimandringana mahazo an'izao tontolo izao !Iara ifona amn Jesosy fa tena mafy zao

samanthaarah
Автор

Tu est MA force Jesus Jesosy soa 🙏🏻❤️🙏🏻

cintsmati
Автор

Fa tsy maintsy ho tafita...., Aleloia !! Misaotra Jesosy

annafloridarahanitrinirina
Автор

Mankasitraka indridra Ranadahy ao amin i tompo

Mimiii.Lyna_i
Автор

Hiara-hivavaka isika (Rija R)

1 Tsy hanan-java mahory isika
Hiara-hivavaka hatrany hatrany
Io no lakana ho enti-miampita
Hitondrany antsika mankany

Kivikivy saika resy ianao
Fa toa ory hava-manana
Amin'ny anaran'i Jesosy andao
Hifanaiky hifandray tanana

Amin'ny anaran'i Jesosy andao
Hifanaiky hifandray tanana


Refrain
Hiara-hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra e
Hiara-hivavaka isika
Mandra-pisokatrin'ny lanitra
Fa tsy maintsy ho tafita
Re izany any an-danitra any
Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy, amin'ny ràny

 Fa ankohonany isika
Am-pony, am-panahy, amin'ny ràny


2 Ho velombelominy ianao
Eny amoron-drano fialan-tsasatra
Tsy hisy tsy ho hainao atao
Voatsinampinao io lanja miakatra

Ny alokin'ny fahafatesana aza
Tsy ahasakana ny fahagagana
Ny haizim-pito no mampilaza
F'efa manakaiky ny fahazavana

Ny haizim-pito no mampilaza
F'efa manakaiky ny fahazavana
 
Refrain


3 Tsy hisy hampimalo
Na sarotra aza ny lalana
Ny mason'ny fahavalo ny latabatra hihinanana
Fa ny manana ny fahamarinana
No hany lalàna hitondrany
Hatrany am-parany
Noho ny Anarany

Refrain

tahianalalaina
visit shbcf.ru