'REO TSY MAHALALA ANAO/EKAR Fanahy Masina Analamahitsy

preview_player
Показать описание

1 'Reo tsy mahalala anao Na minia tsy mino anao e
No iantsoanao ahy Anirahanao ahy.
Koa intý aho, Tompo ô, Mamaly ny antsonao e
Hanambara ny finoana e
Amin'ny olona rehetra Maminao.

2 'Reo anaty aizim-pito e Mamoy fo indrisy
No iantsoanao ahy Anirahanao ahy. Koa intý aho,
Tompo ô, Mamaly ny antsonao e Hanambara fahazavana e
Amin'ny olona rehetra Maminao.

3 'Reo mahantra sy kamboty e
Toa tsy misy mpahalala No iantsoanao ahy
Anirahanao ahy. Koa intý aho, Tompo ô,
Mamaly ny antsonao e Hanambara famonjena e
Amin'ny olona rehetra Maminao.

4 Ny olombelona rehetra e Mitady anao hatraiza
No iantsoanao ahy Anirahanao ahy.
Koa intý aho, Tompo ô, Mamaly ny antsonao e
Hanambara anao doria e
Amin'ny olona rehetra Maminao.

5 'Reo tsy tia anao etý e Na ireo manadino anao e
No iantsoanao ahy Anirahanao ahy.
Koa intý aho, Tompo ô, Mamaly ny antsonao e
Hanambara ny fitia e
Amin'ny olona rehetra Maminao.

6 'Reo mijaly sy olon-dresy e Miaritra ny ngidim-piainana
No iantsoanao ahy Anirahanao ahy.
Koa intý aho, Tompo ô, Mamaly ny antsonao e
Hanambara ny indra fo e
Amin'ny olona rehetra Maminao.
Рекомендации по теме
Комментарии
Автор

Inty aho Tompo o namaly n'y antso ambara n'y hazavana @ izay hanirahanao ahy. Misaotra Anao.

nirinaramangasalama