ireny sôfera ireny TARIKA VINTSY cover

preview_player
Показать описание
Tononkira

Mbola tsy mahalala ndry retsy ka aoka ilazako azy
Tsy tantara valamaty izy ity na resaka tsy hita lany
F’ireny saofera ireny anie toy ny voromanidina
Mahazo izay ilainy izy eh, dia lasa misidina

Indry koa mantsy sao mihevitra ah
Fa raha te hahita tany, na hiraozy any alavitra any
Kanefa tsy manam-bola, dia ireny saofera ireny ihany
No tsara iaraha-midola oh oh
Nofinofy ihany zany eh, sao ndry tsy mahalala
Sao tonga any Antampoketsa any ndry vao ilaozany lasa adala

Tsy fantatrindry koa angaha retsy f’ireny saofera ireny
Mahay mandambolambo amin’ny fomba fihetsika sy fiteny
Omeny kidaondrano ndry retsy dia satry andeha foana
Dia adino ny tokantrano ary koa ny vady dia tsy tsaroana

Mahimahina ihany ary ianao ry madama
Hajao izay ananana, dia ny vady eo am-pela-tànana
Fa sao dia mahita angano,
Ka ho ravan’ireny saofera ireny ny hajan’ny tokantrano
Oh oh oh sao votsi-droa ka izay vao hangaina
Sao setroka échappement sisa tazana izay vao ho tonga saina

Ny fahamatora-ndry akia no tsy ampy
Ka tsy azoko omena tsiny
Fa ny azy tsy tokantrano mazana no zavatra tena iriany
Omeny ny lokaloka ndry retsy izay sendra hitsin’ny sainy
Rehefa tonga any antsisitsisiny any dia vitainy zay tena ilainy
Iny ary ianao fa lasa mibaby kitra
Dia mibontsina toy ny atody, izy tsy hita fa lasa nody
Eo ianao vao mitsakotsako,
Firôziana sy gala iray ve no ahatonga ity zaza tsy hanandray

Aleo manaja tena miandry izay ho sahaza
Dia an-tongotra sy ny fiara tsy mitovy
Dia lasa nanala zaza
Рекомендации по теме
Комментарии
Автор

Mankasitraka bdb nihaino anay roa vavy 🙏🙏

SandraMalala-it
Автор

NY original toa fohy kely, mis toniny 2 ts ao

tanteliniainajemisrollandr
Автор

Ny zavatra tsara vaovao foana, ny zavatra vaovao tsara foana.

harisitrakarakotondramanit
Автор

Mankasitrak eh, manandatra ny bà gasy*

tiaharyrastefano
Автор

Merc eh!tsotr nef tsara!!mis anatra azo raisin tsara!!

tiaharyrastefano
Автор

Mba iza loatra izy roa vavy ireto ? Misaotra hoan'izay mamaly

joeteddy
Автор

Misaotra indrindra tompoko fa tena tsara be no nanaovanareo azy, voa-njanahary tsara ny fisehonareo fa tsy irony be style irony, tsara fa tena toizo e

victorralamboarison
Автор

Misaotra indrindra mamelons ny fahatsiarovana

jacquesramanankandrasana
Автор

tena marina io fa tsy ny chauffeur ihany e

sitrakaandrianjafy
Автор

mahafatifaty be nareo 2, tena mivoaka be ilay cover,

rakotoarivonymioranasolo
join shbcf.ru