๐’๐€๐Œ๐Ž๐„๐‹๐€ - ๐Œ๐€๐‹๐€๐‹๐€ (Unplugged 2021 / Sehatra.Com / Feat. Landy)

preview_player
ะŸะพะบะฐะทะฐั‚ัŒ ะพะฟะธัะฐะฝะธะต
Malala! Malalako!
Mba mandray kifafa kely ianao androany
Malala รดh!
Dia rehefa vitanao ny sasa-vilany sy lovia
Dia mbรด atao ny lakozia
Malala! Malalako!
Anio mba ataonao ny sasa-lamba
Dia aza avelanao hanorisory, aza asiana lonilony
Fa fitiavana daholo izany!

Fa reraky ny manompo anao aho
Leo manao izao sy izao ho anao
Marary be ny lohako
Dia maninona moa raha toa ianao tena tia tokoa!
Androany ihany izany mba atao

Malala! Malalako!
Aiza no ahavitako izany rehetra izany!
Malala รดh!
Fa rehefa vitako ny sasa-vilany sy lovia
Dia mba ataonao ilay lakozia
Malala! Malalako!
Kรดzy raha mba haiko izany sasa-lamba izany!
Koa aza mba mifanorisory fa mba tsy hisian'ny lonilony,
Dia zaho aza mba atao izany intsony!

Fa reraky ny manompo anao aho
Leo mamelona anao
Mba marary koa ny lohako
Dia maninona moa raha toa ianao tena tia tokoa!
Izany rehetra izany mbรด ataontsika roa

Dia rehefa vitantsika roa daholo izany rehetra izany
Fitia mifamaly, mandrimandry, mifaly.

Tonony sy feony : Samoรซla RASOLOFONIAINA
ะ ะตะบะพะผะตะฝะดะฐั†ะธะธ ะฟะพ ั‚ะตะผะต
ะšะพะผะผะตะฝั‚ะฐั€ะธะธ
ะะฒั‚ะพั€

Zoky be Jean rigo, mbola ao lay feo an! Un

RaliteraFranck
ะะฒั‚ะพั€

Franchement, manao le Zix fa tena mbola hafa ihany ty Mika kely ty, mafy lery,

tsitohainarandriamahenina
welcome to shbcf.ru