INONA MOA NY FDA?

preview_player
Показать описание
Ny Tahirim-bola ho fampandrosoana ny Famokarana na Fonds de Développement Agricole (FDA)

Ny FDA dia fitaovana ara-bola entin'ny Fitondram-panjakana manohana ny tantsaha mpamokatra misehatra amin'ny fambolena sy fiompiana ary jono, mba hahafahan'izy ireo mampiakatra sy manatsara ny taham-pamokarany.

Ny FDA noho izany dia manome tohana ara-bola ho an'ireo tetikasam-mpamokarana izay mirafitra tsara mba hahafahan'ny tantsaha Malagasy miroso amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ny vola ampiasain'ny FDA dia avy amin'ny volam-panjakana sy ny mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola maro samihafa izay manana tanjona mitovy dia ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra.

Ny fikambanana mpamokatra mijoro ara-panjakana sy ny mpamokatra mahaleo tena no afaka mametraka fangatahana tohana eo anivon'ny birao FDA. Manerana ny faritra 23 ny FDA.

Copyright FDA/Maneho Production 2022
Рекомендации по теме