IANAO TIA AHY - Balsama - (Lyrics)

preview_player
Показать описание
💝IANAO TIA AHY💝

Hatramin'izay niainako an-tany ety
Nandramako avokoa na soa na ratsy
Matetika nenina no tsapako fa
diso ny lalana aleha
'Ndray andro aho nahita Anao
Jeso Tompoko
Natoronao hatrizao izay nahasoa
Matetika aho vonjenao raha toa ka sendra
diso ny lalana aleha

Fa... Ianao tia ahy
Hanaraka... Anao tia ahy

Tsapako tsy mendrika ahy ny Fitiavanao
'Ty nofoko meloka sy tsy masina
Matetika aho no kivy ka mitalaho fa
sarotra loatra ny dia

Fa... Ianao tia ahy
Tsy hatahotr'aho f'Ianao tia ahy
Fa... Ianao tia ahy
Hanaraka... Anao tia ahy
Tia ahy
Jeso
Tia ahy... (×8)
🌈
©Balsama
"Satria malala eo imasoko ianao,
eny, be voninahitra ianao sady tiako."
Isaia 43 : 4.
#LyricsbyKalo
Рекомендации по теме